Ny firehana marolafy: Antoky ny fandraisan’anjara mavitrika sady mahefa
Ny antoko politika teto Madagasiakar dia niaina tanteraka ny hetsika politika rehetra nodiavin’ny firenena.
Voasaringotra lalandava tao anatin’ny krizin’ny fitondrana izy ireo, fitondrana izay niankidoha betsaka hatrany tamin’ny fahefan’ny filohan’ny repoblika ka nitondra tamin’ireo fihetseham-bahoaka tamin’ny 1972/1975, 1989/1991, 1993, 1995/1997 ary 2001/2002). Nihena hatrany ny herin’ny antoko politika taorian’ireny krizy ireny, very tsikelikely ny hasin’izy ireny manoloana ny fiarahamonim-pirenena sy ny sarambabem-bahoaka. Heverin’ny olona ho mpamelona adilahy politika sy mpihantsy ady izy ireny, na koa loharanon’ny kolikoly sy mpandika lalàna momba ny fitantanam-bola. Amin’ny ankapobeny dia azo lazaina fa tsy tian’ny olona ny antoko politika. Manana anjara andraikitra lehibe amin’izany toe-java-misy izany ny antoko politika.
Ny antoko politika dia fanoitra politika mavesa-danja sy mahefa. Araka izany dia tokony hahafantatra sy hanefa ny andraikiny izy ireo manoloana ny vahoaka, ny mpitondra Fanjakana sy Fanjakana ao anatin’ny fizorana mankany amin’ny fampandrosoana sy ny fanovana demokratika.
Manana andraikitra tsy azo idovirina izy ireo eo amin’ny fiforonan’ny finiavana politika eto amin’ny firenena. Izy ireo no loharano ipoiran’ny tompon’andraikitra politika mitondra sy mitantanana Fanjakana, na olom-boafidy na olom-boatondro.
Andraikitry ny antoko politika ny mamporisika ny olom-pirenena handray anjara mavitrika amin’ny fiainam-pirenena. Mbola andraikitr’izy ireo ihany koa ny mamolavola olom-pirenena, lahy sy vavy, afaka hiantsoroka ny andraikitra politika ka hamaritra mazava ny làlan-kizorana eny anivon’ny Fanjakana.
Fanamby lehibe ho an’ny antoko politika ny manao izay hitiavann’ny olona na sy hatokisan’ny olona azy ireo indray, ny mandini-tena sy maka lesona avy amin’ny tantaran’ny antoko politika hatramin’izao, ny manova fihetsika, ny mijoro amin’ny hevi-dehibe demokratika, ary ny fahaizana manova ny firafitry ny tena manoloana ny fisian’ny hevitra maro samy hafa mahakasika ny olana misy eto amin’ny firenena sy ny vahaolana sahaza azy ireny.
Antoko politika matanjaka vitsivitsy no ilaina hampivondrona sy hamoaka ireny olana sy vahaolana irey. Izany anefa dia mitaky firotsahana an-tsehatra mavitrika ary fiaraha-miombon’ezaka avy amin’ny tompon’antoka rehetra, izany hoe avy amin’ny Fanjakana, ny antoko politika ary ny fiarahamonim-pirenena.
Articles de la presse (un choix)
SOCIETE CIVILE: Pour une institutionnalisation des débats
(Les Nouvelles, paru le 25.07.2008)
Recul de la démocratie malgache
(Midi Magasikara)



