Friedrich-Ebert-Stiftung
Lot V.A. 14 FA Tsiadana
BP : 3185
Antananarivo 101
Madagascar

Tel.: +(261 20) 22 344 24 /-25
Fax: +(261 20) 22 257 31

E-Mail: ebert@fes.mg
http://www.fes-madagascar.org/

Vaovao

Hitanao ato: lahatsoratra isankarazany, fanaovana stage, vaovao samihafa mahaliana anao avy FES.

Hitanao ato


Dialogue on Globalization

FES Globalization

www.fes-globalization.org


Logo

Informations about the Cotonou Agreement (english site)

Contentpic

Ny masoivohon’ny FES eto Madagasikara

Raha vao nahazo ny fahaleovantenany i Madagasikara dia efa niroborobo ny fifandraisana teo amin’ny Governemanta malagasy sy ny FES. Anisan’ireo firenena voalohany teto amin’ny kontinenta afrikana niara-niasa tamin’ny FES i Madagasikara.

Tamin’ny taona 1964 no nanomboka ny fiara-miasan’ny roa tonta teo amin’ny sehatra maro. Nisongadina tamin’izany ny fanamafisana ny rafi-mpanjakana sy rafitra demokratika, ny fampiroboroboana ny sendikalisma ary ny kaoperativa.

Tamin’ny taona 1967 no naorina ny ivotoerana fanofanana olon-dehibe ho amin’ny asa fampandrosoana, dia ny “Centre Maibahoaka” izany.

Tsy maintsy nandao an’i Madagasikara ny FES tamin’ny taona 1975.

Tao anatin’ny rivotry ny fanalalahana politika nitsoka dia tafaverina niasa teto Madagasikara indray ny FES tamin’ny taona 1988. Nifantoka indrindra tamin’ny tantsoroka ny fivoarana ao amin’ny sehatry ny toe-karena, ny fanofanana ny mpanao gazety ary ny politika fanatsarana ny fiainam-piarahamonina ny asa natao tamin’izany.

Taorian’ny raharaham-pirenena 2002 sy ny fiakaran’ny Filoha Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana, dia miasa malalaka ny FES eto Madagasikara, ao anatin’ny sehatry ny politika ankapobeny vaovao apetraky ny Fanjakana. Vokatr’izany dia nohavaozina ny fandrindrana anatiny tao amin’ny FES Madagasikara.

Amin’izao fotoana izao ny FES Madagasikara dia mifantoka amin’ny fanamafisana orina ny demokrasia sy ny fiaraha-monim-pirenena, ny fampiroboroboana ny fanaraha-maso ny fifidianana, ny fanofanana politika, ny fitsinjaram-pahefana, ny fampiharana ny “miralenta” eny anivon’ny rafitra sy zotranasa demokratika rehetra, ny tantsoroka ho an’ny asa sendikaly, ny fanofanana ny olom-boafidy ary ny fanamafisana orina ny fisian’ny firehana marolafy eo amin’ny sehatry ny fampahalalam-baovao.