Friedrich-Ebert-Stiftung
Lot V.A. 14 FA Tsiadana
BP : 3185
Antananarivo 101
Madagascar

Tel.: +(261 20) 22 344 24 /-25
Fax: +(261 20) 22 257 31

E-Mail: ebert@fes.mg
http://www.fes-madagascar.org/

Vaovao

Hitanao ato: lahatsoratra isankarazany, fanaovana stage, vaovao samihafa mahaliana anao avy FES.

Hitanao ato


Dialogue on Globalization

FES Globalization

www.fes-globalization.org


Logo

Informations about the Cotonou Agreement (english site)

Contentpic

Foibe Maibahoaka

Toerana iray sahabo ho 15 km (18°49'48.47"S,  47°27'35.33"O, plan Maibahoaka) miala ny renivohitra ny Centre Maibahoaka. Naorin’ny FES tamin’ny taona 1965 izy io, ho toerana fanofanana olon-dehibe momba ny asa fampandrosoana.

Niato ny fiaraha-miasa tamin’ny Governemanta Malagasy tamin’ny taona 1975, tamin’ny Repoblika faharoa, ary dia niovaova ny sata nifehy ny fampiasana ny Centre Maibahoaka. Taorian’ny krizy politikan’ny taona 2002 no afaka namatsy vola indray ny fanarenana ny Centre Maibahoaka ny FES teo anelanelan’ny volana oktobra 2002 sy janoary 2003, ary nitentina iray miliara FMG na 200 tapitrisa ARIARY ny vola lany tamin’izany. Napetraka hiadidian’ny Ministera misahana ny Fifandraisan-davitra, ny Paositra ary ny Fifandraisana io ivotoerana io ankehitriny, ary misalotra ny anarana hoe “Centre d’Etudes et de Formation Multimédia” (CEFOM).

Misy efitrano iray lehibe fivoriana ao, sy efitrano roa fanaovana asam-baomiera, ary efitrano iray “salle de documentation”) sy efitra “multimedia” ahazoana midotra amin’ny internety sy ahitana fitaovana momba ny haino aman-jery.

Afaka mandray atrikasa, fihaonambe sy fivoriambe, na famelabelaran-kevitra sy ady hevitra ihany koa ny Centre Maibahoaka. Arifomba ny fitaovana ampiasaina amin’izany: Milina “photocopieuse”, vata fahitalavitra miaraka amin’ny “magnétoscope”, milina fandefasana raki-tsary (vidéoprojecteur), “rétroprojecteur”; fandefasana Fax, Fitaovana àrifomba fikirakirana feo (matériels de sonorisation professionnels), solosaina hoan’ny birao sy solosaina finday ahafahana miditra amin’ny internety. Afaka mandray mpizaika miisa 28 ny Centre Maibahoaka, izay manana trano fisakafoanana sy fialana hetaheta ary efitrano fatoriana 14 (misy fandriana roa avy). Azo heverina tsara ny mandray an-tànana tanteraka ny fisakafoana rehetra mandritry ny andro iray (pension complète).

Maro ny mpiara-miombon’antoky ny FES nanatanteraka atrikasa sy fivoriambe ka efa nampiantranoin’ny Centre Maibahoaka, toy ny FIVMPAMA izany, na koa ny vondrona parlementeran’ny TIM, ny sehatra fampahalalam-baovao, ny antoko politika, ny fifampiofanan’ny Ben’ny Tanàna tao anatin’ny fiaraha-miasa tamin’ny Masoivoho soisa, ny tetikasa SAHA sy ny Ministeran’ny Fitsinjarampahefana, sns.