Ny Friedrich-Ebert-Stitung
Tantaran’ny Friedrich-Ebert-Stiftung

Ny Friedrich-Ebert-Stiftung no Fondation antitra indrindra any Alemaina. Tamin’ny taona 1925 izy no niorina, ho fanatanterahana ny hafatra politika nataon’i Friedrich Ebert talohan’ny nahafatesany. Filoha voalohan’ny Repoblikan’i Alemaina i Friedrich Ebert.
Nanana firehana sosialy demokraty izy ary olona tsotra fihaviana. Nitondra firenena nandia fotoan-tsarotra izy, satria vao avy resy tamin’ny Ady Lehibe Voalohany i Alemaina tamin’izany. Ny traikefa niainany manokana tamin’izany no nanosika azy hampanangana Fondation.
Toy izao manaraka izao ny tanjona kinendrin’izany Fondation izany:
- Mampiroborobo ny fanofanana politika sy sosialy ho an’ny lehilahy sy vehivavy avy amin’ny sokajim-piaraha-monina rehetra anatin’ny fandalana ny toe-tsaina demokratika sy ny firehana marolafy;
- Manamora ny fahazoan’ny tanora matsilo mirotsaka eo amin’ny sehatry ny fianarana ambony sy ny fikarohana;
- Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny fifankazahoana sy ny fiara-miasa iraisam-pirenena mba hialana amin’ny fipoahan’ny ady sy fifanolanana mety mbola hitranga.
Taorian’ny nadraran’ny “Nazis” tamin’ny taona 1933 ny fisiany sy ny nahazoany indray alalana niasa tamin’ny taona 1947 taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanohy ny lahasa nataony hatrany ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) ho fametrahana politika mifotra amin’ny fahafahana sy fahalalahana, ny firaisan-kina ary ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny fiaraha-monina.
Tsy any Alemaina ihany fa ivelan’i Alemaina koa no iasan’ny FES ka anatanterahany ny lahasa isan-karazany eo amin’ny sehatry ny fiofanana politika, ny fiofanana ho olom-pirenena, ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ny fanomezana vatsim-pianarana sy ny fanaovana tan-tsoroka ny asam-pikarohana.
Ny FES dia manohana ny fitovian-jon’ny lehilahy sy ny vehivavy manoloana ny lalàna sy ao anatin’ny fiainam-piaraha-monina. Nanomboka tamin’ny taona 1995 dia nifantoka indrindra tamin’ny ezaka “miralenta”, ho fampandrosoana ny vehivavy sy ny fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ny asan’ny FES, raha ny sehatry ny politika iraisam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana no resahina. Tsy avahana manokana intsony ny fitadiavana ny tombotsoan’ny vehivavy, fa kosa dinihina miaraka amin’ny lafin-javatra rehetra izay mifandray sy mifampiankina ao anivon’ny tetikasa tsirairay.
Imasoan’ny FES manokana ankehitriny ny fiofanana politika sy ara-piaraha-monina, ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ny fampandrosoana ny tanora ary ny fikarohana mandala ny toe-tsaina sosialy demokraty.
Ny FES dia manana masoivoho any amina firenena 100 manerana izao tontolo izao, ary 30 amin’izany no masoivoho aty Afrika.



