Ny Tanora
Fihaonamben?ny Tanora (?Forum des Jeunes?) momba ny asa, ny fihariana ary ny politika
Taorian?ny Fihaonana nokarakarain?ny TAMPIKRI momba ny traikefa azo avy amin?ny fanofanana ny tanora teo amin?ny sehatry ny politika, dia nisy ny finiavana hananganana sehatra iray hihaonan?ny tanora Malagasy, hitafa sy hidinika momba ny politika, ny fihariana ary fananan?asa. Teo no teraka ny Fihaonamben?ny tanora.
Nizara ho toko telo ny asa nosahanina tamin?izany:
- Ny andiany voalohany dia fanofanana tanora 15 misahana ny fandrindrana mandritra ny tapakandro miisa 7. Ny fiofanana dia niompana tamin?ny fotokevitra fototry ny ekonomia sosialy, ny politika sy ny demokrasia, narahina fampahalalana isan-karazany mikasika ny hevitry ny mpanao politika sasany momba ny fampandrosoana sy ny sehatry ny fananan?asa. Nisy koa ireo torohay mikasika ny teknika fampiasana ny fampahalalam-baovao sy ny teknika fikarakarana Forum.
- Ny andiany faharoa dia manatanteraka izay asa mahatsara ny serasera amin?ny mpandray anjara na mpiara-miombon?antoka ivelany ary koa ny sarambabem-bahoaka. Ilaina amin?izany ny famokarana izay fitaovana entina hanapariahana ny vaovao, ny valan-dresaka ho an?ny mpanao gazety, aloha sy aorian?ny loabary an-dasy, ary koa ny fihaonana amin?ny mpanapa-kevitra (anisan?izany, ohatra, ny Mpanolotsain?ny Filohan?ny Repoblika misahana ny fanapariaham-pahefana, ny Filohan?ny Antenimieram-Pirenena, ny Minisitra miadidy ny Tanora, sns.).
- Ny andiany fahatelo dia mikasika ny fanatanterahana indrindra ny Fihaonambe. Tanora miisa 100 mahery teo ho eo no hanaparitaka ny vokatra azo avy amin?ny fihaonambe; nisy solontena avokoa ireo faritra 22 eto Madagasikara ary maro tamin?ireo no nisolotena ihany koa fikambanana isan-karazany izay manana ny maha-izy azy eo amin?ny sehatra nasionaly izay iadidiany. Afaka nifanakalo hevitra malalaka izy ireo, sady nidinika momba ny fananan?asa, ny seha-pihariana sy ny politika, tamin?ireo mpanapa-kevitra sy teknisiana miasa amin?ny fiadidiana ny raharaham-bahoaka, ny sehatra tsy miankina ary ny fikambanana mpanao tantsoroka. Fomba fiasa samihafa no nanatanterahana izany fifanakalozana izany: fifanakalozan-kevitra miaraka amin?ny olona efa manana traikefa manokana, ?latabatra boribory?, famelabelarana arahin?ady hevitra, asa iombonana, ?metaplan?, asa fandravonana sy fitanana an-tsoratra.
Nahitan?ny tanora avy any amin?ny faritra tombontsoa manokana ny fianarana mampiasa sy mitrandraka ny internety, izay fitaovana fampandrosoana mifandraika indrindra amin?izao vaninandron?ny fanatontoloana izao ka isokafan?i Madagasikara amin?ny any ivelany, indrindra eo amin?ny lafiny toe-karena sy kolotsaina.
Tombontsoa manokana ihany koa ny nahafahan?ny tanora nisantatra ny fianarany mandray andraikitra, ao anatin?ny fomba fiasa voizin?ny fotokevitra sy toe-tsaina demokratika. Afaka nifanakalo hevitra tamin?ny olobe sy ny ?olon-dehibe? izy ireo sady nifandinika koa tamin?ny tanora mitovy aminy: nanitsy ny vaovao efa lany andro, nifampizara traikefa ary namosaka fitakiana marim-pototra mikasika ny fananan?asa, ny toe-karena sy ny politika, izay natolony ny isan-tsokajiny avy voakasik?izany soso-kevitra izany. Tafahaona ny tanora eny ambanivohitra sy ny tanora an-tan?n-dehibe, ny manam-pahefana eny anivon?ny Kaominina, ny Governemanta; ny Antenimierampirenena, ny fikambanana isan-karazany, ny mpikaroka, ny sehatry ny fampahalalam-baovao ary ny mpamatsy vola ihany koa.
Ny vina ho an?ny hoavy, ho fampandrosoana ny fandraisana anjara demokratika:
Eto dia ny fandaminana ny fomba fiasa no manan-danja indrindra:
- Ny torohay momba ny fandrindrana ny fifampiresahana, tsy hisian?ny fifandirana sy ny ady vaky noho ny hevitra sy tombontsoa mifanipaka: izany no torohay miantoka ny fandrosoana ho amin?ny fifanakalozan-kevitra politika, izay miandany amin?ny fandraisana anjaran?ny rehetra; koa samy mahay maneho mazava ny heviny, na dia mifanipaka amin?ny an?ny hafa aza, kanefa mandala ihany koa ny fanajana sy fihainoana ny fanehoan-kevitry ny ankilany, sao misy soa iombonana azo hiraisan-kevitra na fomba hanekena ihany izay sarotra hankatoavina (ohatra: famolavolana marimaritra iraisana).
- Ny torohay momba ny fandaminana manara-penitra, voafantina ho tanjona mazava dieny am-boalohany, dia miantoka ny vokatry ny fifanatonana ho mazava sy lojika ho an?ny rehetra izay nifanaraka teo amin?ny fametrahana ny tanjona, ka maharisika ny tsirairay hamosaka hevitra azo tanterahina ihany koa.
- Ny ady hevitra ampahibemaso toy ny loabary an-dasy dia azo isaina ho fanoitra mandaitra tokoa ho amin?ny fiovam-pihetsiky ny mpandray anjara sy ny fandaminana asa demokratika.
Ireto no lohahevitra tena mahasarika ny saina indrindra, raha amin?izao vanim-potoana diavintsika izao:
- Ny fanjakana tan-dal?na, ny fanaraham-penitra sy fanatsarana azy ireny;
- Ny ady amin?ny kolikoly eo amin?ny fampiharana sy fampahombiazana azy;
- Ny momba ny fahalalahana maneho hevitra sy mampita vaoavao ao antin?ny firehana marolafy;
- Ny fandraisana anjara amin?ny fanomanana fifidianana demokratika;
- Ny demokrasia eny ifotony sy ny fandraisana anjaran?ny Kaominina amin?ny fampandrosoana, ny fiaraha-miasan?ny samy Kaominina, ary ny fiaraha-miasa eo amin?ny sehatry ny Faritra;
- Ny momba ny fahaleovan-tena ara-bolan?ny Kaominina sy ny fandoavan-ketra;
- Ny fametrahana kolotsaina mandala fandaminana asa mahomby nefa mahay mitsitsy ny loharanon-karena; ary mandala ihany koa ny kalitaon?ny asa atao eny amin?ny sehatry ny fiadidiana ny fiainam-bahoaka;
- Ny fandaminana ny fananan?asa, ny fanatsarana ny tontolon?ny mpiasa, ny fiheverana ny momba ny fiantohana sy fiarovana sosialy;
- Ny fivoaran?ny fifandraisan?i Madagasikara amin?izao tontolo izao sy ny fidirany amin?ny tambanjotra ekonomika sy politika aty Afrika sy aty amin?ny faritry ny Ranomasimbe Indiana.



