Sendikà
Hita taratra ao amin’ny sendikà fa zavatra roa loha no mifanohitra ao: etsy andaniny, ny harena voarakitra ao anaty traikefa nangonin’ny tantara sy ny zava-misy niainan’ny sendikà andavanandro; etsy ankilany, ny hetsika marefo dia marefo manoloana ny adidy miandry ny mpikambana.
Hita tokoa mantsy fa tena manana traikefa lehibe ny sendikà Malagasy, raha ny fanetsiketsehana sosialy no resahina, na koa, ny fanofanana mpiasa, ny firaisan-kinan’ny sendikà ao amin’ny asa iombonana tokony hotanterahina, ny fifampiresahana ara-tsosialy ary ny fifampiraharahana eo anivon’ny ho telo tonta (“négociation tripartite”) no resahina.Tsy hita mihatra eo amin’ny fiainana andavanandro sy ny sehatry ny fampandrosoana anefa ireo traikefa voalaza etsy ambony ireo, satria tsy ampy ny fahavononan’ny olona sy hevitra efa lany andro, “nandalovan’ny taona maro “ ka efa misafotofoto be ihany, na ny hevitra, na ny finiavana; ny vola sy ny olona hanampy amin’ny hetsika moa, tsy ampy na mihena rahateo.
Ny vina hiatrehana ny hoavy
Ilaina ny manova sy manavao ny hetsika ara-sendikaly:
Izany dia mahakasika indrindra ny fanamby apetraky ny fanatontoloana , tokony hitadiavana làlana sy fomba vaoavao handrindrana ny hetsika ara-sendikaly: handraisana mpikambana vaovao sy hanomezana azy ireo fanampiana àrifomba.
Ilaina ny mametraka paika àrifomba kokoa sady mifanaraka kokoa amin’ny vaninandro ankehitriny momba ny fanofanana mpiasa, lahy sy vavy, ahafahana ihany koa miaro tsara ny zo sy tombontsoany.
Ao anatin’izany hetsika fanavaozana izany no tokony handrafetana ny politika sendikaly vaovao, omban’ny fianarana mitantana, mitondra sy manetsiketsika olona, satria ireo no anisan’ny loharanon-karena mavesa-danja indrindra.
Paikady mitily fanavaozana sy fifandimbiasana ao amin’ny sendikà:
- Tohanana ireo finiavana sy hevitra sendikaly vaovao miompana manokana amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpiasa, indrindra fa ireo izay mandala ny fifampiresahana politika, miompana amin’ny fampandrosoana ary mifandraika amin’ny fanamby apetraky ny fanatontoloana;
- Amafisina ny fahaizan’ny sendikà mandamina ny loharanon-karena azony ampiasaina, manolotra fanampiana àry fomba ho an’ny mpikambana ao aminy ary mandala sy mampiroborobo ny demokrasia ao anatin’ny fikambanana.
Maro ny sampana mihetsika sy miroborobo:
- Ny momba ny kalitao sy ny fahafahana mamokatra ary ny fitsinjarana ny rano sy ny jiro, amin’ny maha- sampana fitantanan-draharaham-bahoaka azy;
- Ny orinasa afaka haba mamokatra lamba sy akanjo, izay manana anjara lehibe amin’ny fitomboan’ny harin-karena sy famoronana asa;
- Ny fepetra mifehy ny asa, ny fomba fiasa ary ny toeram-piasana sy ny fiainan’ny mpiasa an-trano;
- Ny olana apetraky ny sehatra tsy ara-dalàna (“secteur informel”). Ireto manaraka ireto no lohahevitra mahasarika saina amin’izao fotoana izao:
- Ny fifampiraharahana mikasika ny fomba fanatanterahana ny fisintahan’ny fanjakana (“privatisation”) sy ny fisorohana sahady ny voka-dratsin’izany eo amin’ny mpiasa lahy sy vavy;
- Ny fanatsarana ny fepetra mifehy ny asa, fomba fiasa, ny toeram-piasana ary ny fiainan’ny mpiasa;
- Ny fandaminana ny famoronana asa;
- Ny fampidirana fepetra miahy ny ara-tsosialy eo amin’ny fifampiraharahana eo anivom-Paritra sy iraisam-pirenena (NEPAD, SADC, COMESA, Fifanekena tao Cotonou, OMC, AGOA,…).
Articles de la presse (un choix)
Les conditions de travail passées à la loupe
(Les Nouvelles, paru le 19.8.2008)
Pour plus de justice sociale et de démocratie
(Madagascar Tribune, paru le 24.04.2008)
"Le syndicalisme a besoin de l’éveil des travailleur"
(Les Nouvelles, paru le 03.03.2008)
16 jeunes travailleurs à sélectionner
(Les Nouvelles, paru le 12.02.2008)
Un travail décent pour les jeunes
(Madagascar Tribune, paru le 14.11.2007)
Publication du guide pour les délégues du personel
(Madagascar Tribune, paru le 05.10.2007)
Une situation toujours précaire
(Madagascar Tribune, paru le 31.08.2007)
Exploitation de saphirs
(Madagascar Tribune, paru le 09.07.2007)
Publications
Où en sont les syndicats de l'Europe de l'Est? : Bilan d'étape après l'élargissement de l'UE / Heribert Kohl - [Electronic ed.] - Bonn : Friedrich-Ebert-Stiftung, La Coopération Syndical Internationale, 2008 - 183 KB, PDF-File . - (Document d'information / Friedrich-Ebert-Stiftung, Département pour le Coopération Internationale, Programme Syndical Mondial ; 5), Electronic ed.: Bonn : FES, 2008
Syndicats et partis politiques en Afrique: nouvelles alliances, stratégies et nouveaux partenariats / par Edward Webster - [Electronic ed.] - Bonn : Friedrich-Ebert-Stiftung, Int. Entwicklungszusammenarbeit, Globale Gewerkschaftspolitik, 2008
La campagne de OIT pour constituer une couverture universelle de sécurité sociale / par Assane Diop. - Bonn : Friedrich-Ebert-Stiftung, Int. Entwicklungszusammenarbeit, Globale Gewerkschaftspolitik, 2007
Mouvement syndical international: fusions et contradictions / par Rudolf Traub-Merz et Jürgen Eckl. Bonn : Friedrich-Ebert-Stiftung, La Cooperation Syndical Internationale, 2007
pour des autres publications (en allemand ou en anglais) voir ici.



